<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ry Raiko ô! Tariho TS12</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Raiko ô! Tariho.
 Fa maizina ny alehako.
 Ary be ny rahona sy ny
 kotroka ao ambony:
 Indro, mivezimbezina aho,
 fa variana; Raiko ô
 tariho aho hody re;

[C1]
   Raiko ô! Raiko ô!
   Mombà ny zanakao.

[V2]
 Ry Raiko ô! Tsy hita
 Ny faran'ny alehako,
 Ary maniry ny fitsaharana
 ny foko 'zay omenao.
 Raha mbola eto aho, sintony
 sao mivily; Raiko ô!
 Mba tano aho ho Anao;
 Raiko ô! sns...

[V3]
 Ry Raiko ô! Tariho,
 Fa be ny tsilo sy ny fandrika
 Ao an-dalambe,
 ka ketraka,
 Nefa nantsoinao aho tsara;
 Raiko ô!
 Mba raisonao ny tanako:
 Raiko ô! sns...

[V4]
 Ry Raiko ô! Manindry
 Ny hazo-fijaliana
 Mavesatra,
 Izay entiko isan'andro;
 Tohany aho, ry Raiko ô!
 fa reraka aho; Raiko ô!
 Mba manampia ahy 'zao:
 Raiko ô! sns...</lyrics>
<hymn_number>12</hymn_number>
</song>